๐๐๐๐
- ๐๐จ๐ญ๐๐ฅ ๐๐๐ฌ ๐
๐ข๐ง๐๐ง๐๐๐ฌ, ๐
๐๐ซ๐ข๐ญ๐ซ๐ ๐๐๐๐๐ : ๐๐๐ฅ๐ข๐ซ๐๐ง๐จ ๐๐๐ก๐-๐ "๐
๐๐ง๐ฃ๐๐ค๐๐ง๐ ๐ฆ๐๐ง๐๐ค๐๐ข๐ค๐ฒ ๐๐๐ก๐จ๐๐ค๐"
Tsy ho sahirana intsony ireo mpisitraka raharaha eo anivonโny Minisiteranโny Toekarena sy ny Fitantanam-bola any amin'ny faritra DIANA, satria mivondrona ao amin'ny Hรดtel des Finances avokoa ireo rantsamangaikanโny ministera. Anisan'izany ny avy eto amin'ny ๐๐ข๐ซ๐๐๐ญ๐ข๐จ๐ง ๐รฉ๐งรฉ๐ซ๐๐ฅ๐ ๐๐ฎ ๐๐จ๐ง๐ญ๐ซรด๐ฅ๐ ๐
๐ข๐ง๐๐ง๐๐ข๐๐ซ amin'ny alalan'ny ๐รฉ๐ฅรฉ๐ ๐๐ญ๐ข๐จ๐ง ๐รฉ๐ ๐ข๐จ๐ง๐๐ฅ๐ ๐๐ฎ ๐๐จ๐ง๐ญ๐ซรด๐ฅ๐ ๐
๐ข๐ง๐๐ง๐๐ข๐๐ซ ๐๐๐๐
๐๐๐๐๐ .
Mifanaraka amin'ny fotodrafitrโasa, dia ho mendrika hatrany ny fomba fiasa, ka hanome fahafaham-po ireo mpisitraka sy manan-draharaha ny Minisitera.
Ampatsiahivina fa ny zoma 11 aogositra teo no nitokana ity Tranobenโny Minisiteranโny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ity ny Filoham-pirenena, Andriamatoa Andry RAJOELINA, notroninโireo olom-boafidy sy tomponโandraikitra ambony maro. Anisanโizany ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Ramatoa RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo sy ireo mpiara-miasa aminy.
Tonga teny an-toerana arak'izany ny Tale Jeneralin'ny Contrรดle Financier, Inspecteur Gรฉnรฉral d'Etat RASAHAVELO, sy ny ekipan'ny DRCF DIANA notarihan'ny delegem-paritra, Andriamatoa RAKOTOSALAMA Ducaud.
Loharanom-baovao - Pejy FB MEF https://www.facebook.com/MINISITERA