𝐇𝐎𝐓𝐄𝐋 𝐃𝐄𝐒 𝐅𝐈𝐍𝐀𝐍𝐂𝐄𝐒 _ 𝐃𝐑𝐂𝐅 𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐌𝐀𝐓𝐒𝐈𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐍𝐘



Ny Délégation Régionale du Contrôle Financier #DRCF_MatsiatraAmbony dia anisan’ireo hisitraka birao fiasana ao amin’ny HOTEL DES FINANCES izay natolotry ny Filoham-pirenena Andriamatoa Andry RAJOELINA mivady ny alakamisy faha 16 mey 2024 teo, notronin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Ramatoa RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo, sy ireo mpiara-miasa aminy, ary ireo mpiara-dia eo anivon'ny Governemanta sy ireo manam-pahefana eny an-toerana.


Nisy ny fihaonana sy ny fanomezana toromarika avy amin'ny Tale Jeneralin’ny Contrôle Financier Andriamatoa RASAHAVELO ho an'ireo mpiara-miasa eo anivon’ny #DRCF_MatsiatraAmbony, izay notarihan’ny delegem-paritra Andriamatoa RAKOTOMALALA Miharisoa Lanto.


Anisan’ny nasongadiny tamin’izany ny tokony hanatsarana hatrany ny fomba fiasa eo anivon’ny DRCF mba hahazoana vokatra azo tsapain-tanana eo amin’ireo asa aman’andraikitra sahanin’izy ireo ho fampandrosoana ny faritra sy ny firenena.