𝐃é𝐥é𝐠𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐑é𝐠𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐞 𝐝𝐮 𝐂𝐨𝐧𝐭𝐫ô𝐥𝐞 𝐅𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫 𝐒𝐀𝐕𝐀 👥



Notanterahina tao Sambava ny zoma 7 jona lasa teo ny lanonana fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo tompon’andraikim-panjakana eo anivon’ny faritra SAVA nahazo fiofanana momba ny ‘Andragogie’, izay nokarakarain’ny Institut National de la Décentralisation et du Développement Local (INDDL) tamin’ny alalan’ny fandaharanasa RINDRA, ary notohanan’ny USAID Madagascar sy ny PNUD Madagascar.


Nanotrona izany lanonana izany ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany Andriamatoa Naina ANDRIANTSITOHAINA, sy ny solontena maharitry ny PNUD eto Madagasikara, ny tompon’andraikitry ny Bureaux des Finances USAID, ary ny Chief of Party misahana ny fandaharanasa RINDRA.


Marihina fa ny Delegem-paritry ny Contrôle Financier SAVA Ramatoa RAKOTONDRAZAKA Mampionona Zoliniaina dia isan'ireo tompon'andraikitra nisitraka izany fiofanana izany, ary ho anisan'ireo mpikambana ao anatin’ny vondrona mpampiofana matihanina izay hizara ny fahaiza-manao azon’izy ireo eny anivon'ireo kaominina any amin'ny faritra SAVA.

"𝑪𝒐𝒏𝒕𝒓ô𝒍𝒆 𝑭𝒊𝒏𝒂𝒏𝒄𝒊𝒆𝒓 𝒑𝒐𝒖𝒓 𝒍𝒆 𝒅é𝒗𝒆𝒍𝒐𝒑𝒑𝒆𝒎𝒆𝒏𝒕"