'ROLE DE CONSEILLER FINANCIER' - Fihaonan'ny #DRCF_ANALANJIROFO niaraka tamin'ny Ben'ny Tanàna vaovao sy ireo mpanolotsaina eo anivon'ny Kaominina Andrenivohitra Fenoarivo Atsinanana
Nisy ny fihaonana teo amin'ny 'Délégation Régionale du Contrôle Financier' #DRCF_ANALANJIROFO niaraka tamin'ny Ben'ny Tanàna vaovao sy ireo mpanolotsaina eo anivon'ny Kaominina Andrenivohitra Fenoarivo Atsinanana ny 𝘻𝘰𝘮𝘢 21 𝘧𝘦𝘣𝘳𝘰𝘢𝘳𝘺 2025 teo.
📌 Fihaonana araka ny fangatahan'ireo olom-boafidy tompon'andraikitra vaovao, ka nitondran'ny avy ao amin'ny #DRCF_ANALANJIROFO fanazavana mahakasika ny fanatanterahana ny teti-bolan'ny kaominina sy ireo fanaraha-maso ataon'ny Contrôle Financier.
📌 Amin'ny maha mpanolotsaina eo amin'ny lafin'ny fitantanana ny volam-panjakana ny Contrôle Financier, dia nohamafisin'ny Delegem-paritry ny Contrôle Financier, Andriamatoa ANDRIANIRINA Patrice, nandritra io fotoana io ny fanajana ireo tetiandro voalazan'ny lalàna ary ireo adidy sy ny andraikitrin'ny Ben'ny tanàna sy ireo mpanolotsaina eo amin'ny lafin'ny fitantanana ara-bolan'ny kaominina.
Marihina fa izany fihaonana izany dia natrehan'ny avy ao amin'ny Prefektiora ao Fenoarivo Atsinanana sy ny solontena avy ao amin'ny Tahirimbolam-panjakana any an-toerana.