.

Fanendrena ireo Mpikambana ao amin’ny Governemanta

 

Araka ny Didim-panjakana laharana faha 2020-70 nanendrena ireo Mpikambana ao amin’ny  governemanta dia voatendry anisan’ny handrafitra izany governemanta vaovao izany Andriamatoa RANDRIAMANDRATO Richard ary mbola ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola no nanomezan’ny Filohan’ny Repoblika fitokisana azy. 

« Tsy maintsy tohizana ary hamafisina ny fanavaozana ny fomba fiasa ». hoy Andriamatoa Ministra. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny vola miditra amin’ny kitapombolam-panjakana amin’ny alalan’ny hetra sy ny haban-tseranana. Ho amafisina ihany koa ny ady amin’ny kolikoly sy ny fangaraharahana eo amin’ny fitantanan-draharaham-panajakana ho enti-mitsinjo ny vahoaka Malagasy. 

 Anisan’ny asa miandry an’Andriamatoa Ministra sy ny Mpiara-miasa aminy ankehitriny ny fandrafetana ny làlana mifehy ny Tetibola 2020 nasiam-panitsiana. Eo anilan’izay dia efa hatomboka ihany koa ny Conférence régionale entina hanomanana ny Tetibolam-panjakana 2021. Efa manomana azy ny eo anivon’ny Ministeran ‘ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. « Fa aoka isika hifampitsinjo, aoka isika hifanome tànana, aoka isika hifanampy ho voninahitry ny firenentsika », hoy ihany Andriamatoa Ministra.

 

 

Plan du site ::