.

Fanomezana mari-boninahitra ireo Mpiara-miasa eo amin’ny Trano Fiantohana ARO

 

Ny zoma 31 janoary 2020 no nanolorana mari-boninahitra ireo Mpiara-miasa ao amin’ny Tranom-piantohana ARO. 62 mianadahy no isan’ireo nahazo mari-boninahitra, 16 mianadahy kosa no notolorana mari-pankasitrahana. Tonga nanatrika ny fotoana Andriamatoa Ministry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana.

Fanatsarana hatrany ny tolotra ho an’ireo misitraka ny asa ao amin’ny ARO. Io no toromarika avy amin’Andriamatoa RANDRIAMANDRATO Richard, Ministry Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ho an’ireo mpiara-miasa eo anivon’ity Tranom-piantohana ity. Nomarihiny fa mihatsara hatrany ny vokatra eo amin’ny ARO raha ny vola maty nandritra ny taona nifandimby no jerena ka notolorany fankasitrahana noho izany ireto mpiara-miasa ireto, indrindra fa ireo izay nandray mari-boninahitra. « Midika izany fa voantanana an-tsakany sy andavany ny volan’izay misitraka ny fiantohana ao », hoy ihany Andriamatoa Ministra.

Nomarihin’Andriamatoa RANJALAHY Ihaja, Tale Jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana kosa fa « mihahenjana ny fifaninana eo amin’ny tsenam-piantohana eto Madagasikara ». Antony iray lehibe izany hampitomboana avo roa eny ny ezaka ataon’ny tsirairay entina hanatsarana hatrany ny vokatra.

Raha ny taona 2020 no resahina, dia betsaka ny asa kasain’ity orinasa ity ho tanterahina.  Tafiditra ao anatin’izay ny fanatsarana ny paikady ara-barotra toy ny fanantonana bebe kokoa ireo mapnjifa, ny fampiharana ireo toromarika avy amin’ny Commission de Supervision Bancaire et Financière (CSBF) izay mpampindra ny tontolon’ny fiantohana eto Madagasikara. Marihina anefa fa ny Tranom-piantohana AR0 dia orinasa ananan’ny Fanjakana petra-bola. Ary izany orinasa izany dia eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. 

 

Plan du site ::