.

Toerana fandraisana fisotroan-dronono: notokanana ny Annexe TPIC Ivato

 

Ny asabotsy 10 oktobra 2020 lasa teo no nanatanterahana ny lanonam-pitokanana ny Annexe Tresorerie Principale Intercommunale (TPIC) Ivato tao amin’ny Kaominina Antehiroka izay natrehan’ny Tale Jeneralin'ny Tahirimbolam-panjakana, Ranjalahy Ihaja sy ny Ben’ny Tanàna, Rivolalaina Vonjy Arthur. "Isika vahoaka no fanjakana ary isika no misitraka ny asa rehetra eny anivon’ireny tranom-panjakana ireny ". Io no nentin'ny Tale Jeneralin'ny Tahirimbolam-panjakana nanamarika ny kabariny nandritra io fotoana io. Notsipihany fa izao tetik’asa izao dia tafiditra anatin'ny vinan'ny fitondram-panjakana ny hanakaiky ny vahoaka sy ireo mpisitraka.

Afaka misitraka avy hatrany ny fisotroan-dronono eo anivon'io birao vaovao ao amin’ny Kaominina io ireo zokiolona nanomboka ny 12 oktobra 2020. Miisa efatra ireo mpiasa hiandraikitra ny fitantanana. Tsy adinon'ny Tale Jeneraly ny nanamafy tamin’ireo mpiasa fa mila raisina am-pitiavana sy amim-pitsikiana hatrany ireo mpisitraka satria izy ireo no antom-pijoroan'ny trano sy ny asam-panjakana. Manentana ny vahoaka koa izy, indrindra ireo mpisotro ronono miisa 250 ao Antehiroka, mba hanatona tsy am-pisalasalana ao amin’io annexe TPIC Ivato io.

Izao tetik’asa izao moa no tanteraka dia nohon’ny fiaraha-miasa teo amin’ny Tahirimbolam-panjakana sy ny Kaominina Antehiroka tamin’ny alalan’ny Ben’ny Tanana, izay nikaroka ny mpiara-miombon’antoka nanampy tamin’ny fanomezana ny birao sy ny fitaovana ampiasaina.

Raha tsiahivina dia ny TPIC Ivato no miandraikitra ny fitantanam-bolan’ny Kaominina Ivato, Talamaty ary Antehiroka. Tafiditra ao anatin’izany ny fampidirina ireo vola sy hetra ao amin’ny kaontin’ny kaominina sy ny fanaraha-maso ny taratasy famoaham-bola ary ny fandoavana fandaniana ataon’izy ireo. Azo heverina arak’izany hoy hatrany ny Tale Jeneraly ny fanitarana ny fampiasana ity Annexe ity amin’ny anjara asa hafa ankoatran’ny fandoavana fisotroan-dronona rehefa feno ny fenitra takiana.

Mbola maro ny tetik’asa ho avy fa fanombohana ihany izao. Fanamby apetraka ihany koa ny fiaraha-miasa miaraka amin’ireo ben’ny tanàna amin’ny fametrahana fotodrafitra’asa toy izao amin’ny toerana hafa. Mifanaraka indrindra amin’ny toromariky ny minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanambola, Richard Randriamadranto, rahateo izany dia ny hanamaivanana ny fivezivezen’izy ireo mpisitraka sy hanomezan-danja ireo zokiolona nahavita be teo amin'ny sehatry ny asam-panjakana.

Plan du site ::