.

Fankatoavana ny tetibola entina anodinana ny CCOK sy ny CRNM ao Ambovombe sy Amboasary Atsimo

 

Ny alahady faha 6 desambra 2020 dia tonga nanatrika ny fivoriana notarihan’Atoa Praiministra tao Ambovombe ny Ministry ny Toekarena sy Fitantanam-bola sy ny Sekretera Jeneraliny. 

Ny fananganana sy ny fampandeanana ny Ivotoerana hitantanana ny ady amin’ny Kere na Centre de Coordination Opérationnelle contre le Kere (CCOK) sy ny fijerevana ifotony ny fomba ananganana ny Ivotoerana anarenana ny tsy fanjarian-tsakafo (CNRM – Centre de Réhabilitation Nutritionnelle et Médicale) no votoatin’izany fivoriana izany. Ny lafiny tetibola moa no anjara tandrifin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.  

Nankatoavina nandritra io fotoam-pivoriana tao Ambovombe io ny lamina momba ireo lahasa sy ny tetibola fampandehanan-draharahan’ireto ivotoerana ireto. Azo asiam-panitsiana anefa na ireo lamina momba ireo lahasa voafaritra ireo na ilay tetibola, araka ny fivoaran’ny toe-draharaha. 

Paikady mazava no napetraka amin’ny famoahana izany tetibola izany : 

  • Tsy maintsy mandalo fankatoavana eo amin’ny Sampana fanaraha-maso ny volam-panjakana (Contrôle financier) ;
  • Sonia telo no miaraka atao ahafahana mamoaka ny vola : ny an’ny Lehiben’ny District ao an-toerana, ny an’ny Centre de Prévention et de Gestion des Urgences (CPGU) mipetraka ao an-toerana ary ny an’ny Tale misahana ny CCOK ; 
  • Régisseur avy amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy Fitantanam-bola no kosa mitazona sy mamoaka izany vola izany.

Mitentina 6.991.997.500 Ariary no tetibola tapaka fa hatokana ho an’ireo Ivotoerana ao Ambovombe sy Ambosary Atsimo ireo ka toa izao no ampiasana izany vola izany : 

  • Anomezana tohana ara-bola tsy misy takalony ho an’ny tokantrano sahirana sy marefo miisa 14 200 ; 
  • Hanarahana maso ireo tsy ampy sakafo mandritry ny telo volana ;
  • Hananganana ny CRNM sy ny bankin-tsakafo ;
  • Hizarana sakafo mafana ho an’ny zaza miisa 20 000 sy vehivavy bevohoka sy mampinono miisa 1000 ;
  • Hizarana rano mivantana ho an’ireo tokantrano tena marefo ;
  • Fanodinana ireo ivotoerana roa amin’ny andavanandrony.

Nandritra ny fivoriana dia namafisin’Andriamatoa Praiminisitra fa " tsy lahatra ny fahantrana ary misy fomba fientanana sy fitantanana vaovao  atao ametrahana rindran-damina hiatrehana ny zava-misy aty atsimo" 

Nitohy tao Amboasary Atsimo kosa izany fidinana ifotony izany ny alatsinainy faha 7 desambra 2020. 

Plan du site ::