Guides Pratiques aux usagers
Réformes
Nouveau
Liens utiles
Liens internes
Projet ARCEB
Statistique visiteurs
Nb Visiteurs | |
---|---|
Total | 522114 |
Date de mise en ligne 20 Fev. 2019
Ratification de deux accords de financement au niveau du Sénat Le Sénat a ratifié lors de sa séance plénière du 08 Juin 2021 deux accords de financement. Le premier concerne le financement additionnel du Projet intégré de pôles de croissance et de corridors Sop-2 (PIC 2.2) de l’IDA et le second est un financement de la BADEA pour le projet d’Appui aux activités de lutte contre la pandémie de COVID-19 à Madagascar. Le Projet Pic 2.2 est un crédit de l'Association internationale de développement (IDA). Il a été approuvé par le Conseil d'administration de la Banque mondiale le 10 décembre 2020. Son objectif est de soutenir la croissance durable des secteurs du tourisme et de l'agrobusiness en améliorant l'accès aux infrastructures et services dans les régions cibles et d’apporter une réponse immédiate et efficace à une crise ou une urgence éligible. La convention de ce financement additionnel de 33 millions de dollars a été signée le 18 décembre 2020 entre l’Etat Malagasy et la Banque Mondiale. Sous la tutelle technique du Ministère de l’Economie et des Finances, les activités du projet ciblent les régions Atsimo Andrefana, Diana, Anosy et Analanjirofo. Les composantes du projet Pic 2.2 :
Le deuxième accord de financement ratifié ce jour est le Projet « Appui aux activités de lutte contre la pandémie de COVID-19 à Madagascar ». Il est financé par la Banque arabe pour le développement économique en Afrique (BADEA) à hauteur de 5 500 000 USD ; dont un prêt de 5 000 000 USD et une partie sous forme de dons de 500 000 USD. Signé le 22 octobre 2020, ce projet vise à renforcer les capacités de Madagascar à faire face à l’épidémie de COVID-19 dans le cadre du Règlement Sanitaire International. Il sera mis en œuvre dans toutes les formations sanitaires des régions et districts touchés par le Covid-19. Les agents de santé et au grand public, à travers l’acquisition de consommables médicaux, d’ambulances, d’équipements de protection individuelle, d’intrants et équipements médicaux ainsi que des kits de dépistage, en seront les principaux bénéficiaires. La ratification par le Parlement est une étape obligatoire dans le processus de mise en vigueur des accords de financement. La délivrance de l’avis de constitutionnalité par la HCC, la promulgation des lois de ratification, l’ampliation des lois et du décret de ratification et leur insertion dans le Journal Officiel sont toutefois encore requis avant le décaissement.
Fandaniana fifanarahana famatsiambola miisa roa teny amin’ny Antenimierandoholona Ny Antenimierandoholona dia nanatanteraka ny fandaniana fifanarahana famatsiambola miisa roa nandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro natrehina ny 08 Jona 2021. Ny voalohany dia mahakasika ny famatsiambola fanampiny ho an’ny tetikasa « Projet intégré de pôles de croissance et de corridors Sop-2 (PIC 2.2) » izay iandraiketan’ny IDA ary ny faharoa dia famatsiambola avy amin’ny BADEA ho an’ny tetikasa « Projet d’Appui aux activités de lutte contre la pandémie de COVID-19 » eto Madagascar. Ny tetikasa Pic 2.2 dia vatsian’ny vola avy amin’ny « Association internationale de développement (IDA) » ary nankatoavin’ny Filankevimpitantanan’ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny datin’ny 10 Desambra 2020. Ny tanjony dia ny hanohana ny fitomboana maharitra eo amin’ny sehatra fizahantany sy ny lalampihariana fanodinana vokampambolena amin’ny alalan’ny fanatsaràna ny fisitrahana ireo fotodrafitrasa sy ireo tolo-draharaha eny anivon’ireo faritra nokendrena manokana amin’izany, ary ny fitondrana vokatra faran’izay malaky sy mahomby eo anatrehan’ny krizy na ny amehana anatin’ireo heverina fa afaka hitondrana fanampiana. Ny fifanekena mitondra io famatsiambola fanampiny mitentina 33 tapitrisa Dolara io dia nosoniavina ny andron’ny 18 Desambra 2020 tamin’ny alalan’ny Fitondrampanjakana Malagasy sy ny Banky Iraisampirenena. Eo ambany fiahiana ara-teknikan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny FItantanambola, ny tetikasa dia hapetraka any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, Diana, Anosy sy Analanjirofo. Ireo singa ao anatin’ny Tetikasa Pic 2.2 :
Ny fifanarahana faharoa nankatoavina dia ny tetikasa « Appui aux activités de lutte contre la pandémie de COVID-19 » eto Madagasikara. Izy io dia vatsian’ny Banky Arabo ho an’ny Fampandrosoana ara-toekarena eto Afrika (BADEA) izay mitentina 5 500 000 USD, ka ny 5 000 000 USD amin’izy io dia trosa fa ny 500 000 USD kosa dia fanomezana ara-bola. Ny fanaovan-tsonia dia notanterahina tamin’ny andron’ny faha-22 oktobra 2020. Io tetikasa io dia mikendry ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’i Madagasikara manoloana ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19 ho an’ny fampiharana ireo fitsipika ara-pahasalamana iraisan’ny firenena maneran-tany ary hapetraka manerana ireo rafitra ara-pahasalamana eny amin’ireo faritra sy distrika hahitana ireo trangan’aretina Covid-19. Izy io dia hanampy ireo mpiasan’ny fahasalamàna sy ny mponina rehetra amin’ny alalan’ny fanomezana ireo fitaovana entina manasitrana, ireo ambulance, ireo fitaovana enti-miaro ny isambatan’olona, ireo fanafody ilaina sy ireo fampitaovana ary ireo fitaovam-pitiliana. Ny fankatoavan’ny Parlemanta dia dingana tsy maintsy tanterahana ao anatin’ny fametrahana hanankery ireo fifanarahana famatsiambola. Ny fanomezan’ny HCC ny heviny momba ny fanajan’izany ny Lalampanorenana, ny fametrahana hanankery ireo lalana, ny fampahafantarana ireo lalàna sy ireo Didimpanjakàna ary ny fampidirana azy ireny ao anatin’ny Gazetimpanjakana anefa dia ilaina alohan’ny fotoana amoahana ireo vola.
|