.

Tatitry ny Filankevitry ny Minisitra natao ny alarobia 09 Jona 2021

Fampitam-baovao mikasika ny fanomanana sy ny fandrafetana ny tetibolam-panjakana asiam-panitsiana 2021

Ireo asa vita hatreto ao anatin’ny fanomanana ny fandrafetana ny tetibolam-panjakana asiam-panistiana 2021 dia nahafahana namaritra ireto zavatra manaraka ireto :

  • Fanitsiana mikasika ny vinavina mahakasika ny mety ho fidiram-bola noho ny zava-mitranga ankehitriny
  • Fanitsiana mahakasika ire « dépenses transversales », ireo tetikasam-pampandrosoana ary ireo fandaniana mikasika ny fampiodinan-draharaha eo anivon’ireo minisitera sy ireo andrimpanjakana.

Na izany aza anefa, mba tsy hahatara ny fankatoavana ny tetilolam-panjakana asiam-panitsiana 2021, dia azo eritreretina ny fanoratana ho ao anatin’ny « dépenses transversales » eo amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ireo tetibola natokana ho an’ny tetikasam-pampandrosona sy ireo tetibola fanampiny ho fampiodinana ireo minisitera.

Nankatoavina araka izany ny volavolan-dalàna manitsy ny tetibolam-panjakana 2021. Mbola hisy kosa anefa fanistiana ara-teknika ho fanarahana ireo toromarika notapahana tamin’ny Filankevitry ny Minisitra mialohan’ny andefasana izany any amin’ireo Antenimiera roa tonta.