.

Fampitam-baovao mahakasika ny Filankevitry ny Minisitra ny Alarobia faha-30 jona 2021.

Hisy ny fandraisana didim-panjakana mikasika ny fivoahan’ny vola vahiny (devises) sy ireo fepetra manokana momba ny famerenana eto Madagasikara ireo vola vahiny (rapatriement de devises).

Ny lalàna manan-kery ankehitriny dia tsy namaritra ny fetra farany ambony ny vola afaka entin’ireo izay mivoaka any ivelan’i Madagasikara. Izany dia nahatonga fanararaotana, fanondranam-bola an-tsokosoko (fuite de capitaux), ary nampiroborobo ny famotsiam-bola.

Hamahana izany olana izany sy hanatsarana ny fiarovana amin’ny fanondranam-bola, ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-boka dia nasaina hamolavola didy aman-dalàna  ahafahana mifehy ny fivoahanan’ny vola vahiny sy ahafahana miady amin’ny « fuites de capitaux ».

Izany indrindra no antony nisian’ny vinavina hanaovana ny « Circulaire relative aux allocations de devises n°0755/2018-MFB/SG/DGT/DOF/SFE du 30 août 2018 » izay havadika ho didim-panjakana. Nasaina ihany koa ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola mba hametraka haingana volavolan-kevitra andraisana didy aman-dalàna iray hafa mikasika ny fampodiana ny vola vahiny. Ny tanjona dia ahafahana manatsara izany fampodiana vola vahiny izany sy haha-mari-pototra ny vola Malagasy na ny Ariary.