.

Fampitam-baovao ny tatitry ny Filankevitry ny Ministra ny Alarobia faha-07 jolay 2021

Araka  ny tolo-kevitriny ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantama-bola dia nankatoavina ny fampitam-baovao mikasika ny fanaovan-tsonia ny « Plan cadre de coopération pour le développement durable  (UNSDCF) 2021-2023 eo amin’i Madagasikara sy ny sampan-draharahan’ny Firenena mikambana eto Madagasikara.

Mba tsy hisian’ny fanilihana na famelàna ny olona sasany ho anjorombala, ary ho fanatanterahana ireo fanovàna maharitra eo amin’ny fiainan’ny mponina indrindra ireo olona marefo, ny biraon’ny Firenena mikambana eto Madagasikara dia hitondra ny anjara birikiny amin’ireo laharam-pahamehana nasionaly ho an’ny fe-potoana manomboka ny volana jolay 2021 ka hatramin’ny volana desambra 2023 amin’ny alalan’ny « Plan cadre de coopération pour le développement durable » na ny UNSDCF 2021-2023.

Mifototra amin’ny fanamby vitsivitsy izany. Fanamby izay noraisina taorian’ny fakana hevitra teny ifotony ary efa nekena teo anivon’ny Filankevitry ny governemanta tamin’ny faha-06 febroary 2021 ireo laharam-pahamehana stratejika miisa efatra ireo dia ny :

-          Fanamafisana ny fanjakana tsara tantana ary ny fandriam-pahalemana ;

-          Fampivelarana ny maha-olona ;

-          Famporisihana ny famokarana arak’asa sy ny famoronana asa mba hanana asa mendrika ;

-          Fanamafisana ny fitantanana maharitra sy manaja ny tontolo iainana.

Mandray anjara amin’ny fanatrarana ny ODD na « Objectifs du développement durable » mandritry ny folo taona ity drafitra ity ary mifandraika amin’ny ezaka fanarenana manoloana ny toe-java-misy ankehitriny izay voamariky ny aretina COVID-19. Araka izany dia mifanojo tsara amin’ireo laharam-pahamehana nasioanaly ity drafitry ny Firenena mikambana hotanterahina eto Madagasikara manomboka ny volana jolay ity. Zava-dehibe araka izany ny fanaovan-tsonia azy satria manampy amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara sy amin’ny fanatrarana ny Agenda 2030.

Plan du site ::