Guides Pratiques aux usagers
Réformes
Nouveau
Liens utiles
Liens internes
Projet ARCEB
Statistique visiteurs
Nb Visiteurs | |
---|---|
Total | 522067 |
Date de mise en ligne 20 Fev. 2019
Fonction publique : L’ « AUGURE 2 » désormais opérationnelle sur l’ensemble du territoire Objectif atteint. Tous les départements ministériels et les services régionaux utilisent dorénavant le système d’informations de Gestion des Ressources Humaines de l’Etat (GRHE) dénommé « Application Unique de Gestion Uniforme des Ressources humaines de l’Etat (AUGURE) ». Pour marquer cette étape cruciale, une cérémonie de clôture du déploiement régional de la version améliorée de l’AUGURE et des ateliers de formation liée à son utilisation se tient ce vendredi 30 juillet 2021 à Mahajanga. Le Ministre de l’Economie et des Finances (MEF), Richard Randriamandrato et son homologue du Ministère du Travail, de l'Emploi, de la Fonction Publique et des Lois Sociales (MTEFPLS), Gisèle Ramampy, ont honoré de leur présence cette cérémonie. Lancés officiellement dans la région Itasy au mois de juin dernier, les ateliers ont permis de former 307 formateurs et responsables auprès des Services Régionaux de la Solde et des Pensions (SRSP) et des Directions Régionales de la Fonction publique ainsi que 684 responsables au sein des Services Techniques déconcentrés (STD). Suite à diverses améliorations de fonctionnalités, cet outil informatique permet au ministère employeur de gérer la mobilité de la gestion du personnel et de maîtriser les besoins des postes fonctionnels. Pour le Ministère de l’Economie et des Finances (MEF), son utilisation permet le contrôle des états de paie des agents de l’Etat, la gestion de la masse salariale et l’effectif des agents de l’Etat. Il s’agit également d’assurer la gestion financière des postes fonctionnels et l’effectif des postes disponibles. A noter que 45% des recettes de l’Etat, soit 5% du PIB, sont affectés au paiement de la solde des agents de l’Etat qui sont actuellement au nombre de 200 000 environ. Au niveau du Ministère en charge de la Fonction publique, la maîtrise de la nomenclature des postes, le recensement physique des agents de l’Etat, ainsi que la planification de la Gestion Prévisionnelle des Effectifs, des Emplois et des Compétences (GPEEC) constituent les avantages de ce système. En bref, l’entrée en fonction de l’AUGURE 2 dans toutes les régions marque la dématérialisation des procédures administratives et la digitalisation de la gestion des ressources humaines de l’Etat. D’ici 2023, l’application servira de base de données, noyau du futur SIGRHE (Système de Gestion des Ressources Humaines de l’Etat). Mais auparavant, l’établissement d’une carte d’identifiant unique AUGURE pour les agents en service dans les départements centraux et pris en charge par le budget général, et l’intégration de la gestion des pensions dans l’AUGURE 2 figurent parmi les perspectives.
Asam-panjakana : « AUGURE 2 » efa azo ampiasaina manerana ny Nosy Tratra ny tanjona.. Ireo Departemanta eny anivon’ireo Minisitera sy ireo sampandraharaha hita eny amin’ireo Faritra dia efa mampiasa ny Rafitra ifanakalozam-baovao eo amin’ny fitantanana ny loharanonkery avy amin’ireo mpiasampanjakana (GRHE) izay antsoina hoe « Application Unique de Gestion Uniforme des Ressources humaines de l’Etat (AUGURE) ». Entina hanamarihana io dingana goavana tontosa io dia nisy ny lanonana nanakatonana ny fanapariahana isak’ireo Faritra ny AUGURE nasiana fanatsarana sy ny atrikasa fanofanana eo amin’ny lafiny fampiasana azy ny andron’ny Zoma faha-30 Jolay 2021 tany Mahajanga. Ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanambola (MEF), Andriamatoa Richard Randriamandrato sy ny Minisitry ny Asa, ny Fampananana asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna sosialy (MTEFPLS), Ramatoa Gisèle Ramampy dia tonga nanome voninahitra io lanonana io. Nosokafana ara-pomba ofisialy izany tany amin’ny Faritra Itasy tamin’ny volana Jona lasa teo. Ireo atrikasa notanterahana dia nahafahana nanofana mpanofana miisa 307 sy tomponandraikitra eny amin’ireo sampandraharaham-paritra momba ny Karama sy ny Fisotroandronono (SRSP) sy ireo Fitaleavana eny amin’ny Faritra momba ny asampanjakana ary tomponandraikitra miisa 684 avy amin’ireo sampandraharaham-paritra ipariaham-pahefana (STD). Taorian’ireo fanatsarana samihafa nentina teo amin’ireo tolotra azony omena, io fitaovana ara-informatika io dia hahafahan’ireo Minisitera mpampiasa mitantana ny fanjohiana ny toeranasa misy ireo mpiasa na « mobilité de la gestion du personnel », ary mifehy ireo filàna eo amin’ny lafiny tolodraharaha omen’ny toeranasa na « besoins des postes fonctionnels ». Ho an’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola (MEF), ny fampiasana azy io dia hahafahana manara-maso ny fanefàna ireo karaman’ny mpiasampanjakana, ny fitantanana ireo antontan-karama sy ny isan’ny mpiasampanjakana. Hita amin’io ihany koa ny fiantohana ny fitantanana ny lafiny ara-bola ireo toeranasa sy ny isan’ireo toeranasa izay azo ampiasaina. Eo anivon’ny Minisitera misahana ny asampanjakana, ny fifehezana ny antontan-kevitra mifehy ny toeranasa na ny « nomenclature des postes », ny fanisana ireo mpiasampanjakana ary ny fametrahana drafitra ho an’ny fitantanana ombam-binavina ny isan’ny mpiasa, ny filana eo amin’ny toeranasa ary ny fampifanojoana izany amin’ny fahaiza-manao na ny « Gestion Prévisionnelle des Effectifs, des Emplois et des Compétences (GPEEC) » no mandrafitra ny tombony azo avy amin’io rafitra io. Raha tsorina, ny fidirana amin’ny fampiasana ny AUGURE 2 eny amin’ireo Faritra rehetra no manamarika ny fialana amin’ny fampiasana antontan-taratasy maro eo amin’ny lafiny raharaham-panjakana sy ny fidirana amin’ny tontolon-drindran-kajy eo amin’ny lafiny fitantanana ny loharanonkery avy amin’ny mpiasampanjakana. Amin’ny taona 2023, io rindrambaiko io no handrafitra ny antontanisa sy hevitra izay akora fototry ny SIGRHE (Système de Gestion des Ressources Humaines de l’Etat) izay ho avy. Saingy mialoha izany, ny fametrahana ny karatra famantarana manokana na « carte d’identifiant unique AUGURE » ho an’ireo mpiasa miasa eny anivon’ireo departemanta hita any amin’ny foibe, izay sahanin’ny Tetibola ankapobeny sy ny fampidirana ny fitantanana ny Fisotroandronono ao anaty AUGURE 2 no anisan’ny tetikasa vinavinaina.
|