.

PIC 2 Energie, PIC 3, PAISF, IPF : Tetikasa fampandrosoana nankatoavin’ny Antenimiera roa tonta

 

Tetikasa miisa 4 no naroso nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana teny amin’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimieran-doholana ka nahazo fankatoavana.

TETIKASA PIC 2 : ANGOVO

Tanjona :

  • Fampiroboroboana ny sehatra Fizahantany sy ny fanodinana voka-pambolena amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny angovo eny amin’ny tontolo ambanivohitra sy ny fisitrahana ireo fotodrafitrasa ary ireo tolodraharaha.

Faritra kendrena :

  • Atsimo Andrefana, DIANA, Analanjirofo

Singa ao anatiny :

  • Fanitarana ny fampidirana angovonaratra amin’ireo tanàna ambanivohitra ao amin’ny Faritra DIANA sy Atsimo Andrefana
  • Fanamboarana ny simba amin’ny lalana tena manana ny lanjany ao Sainte Marie, Faritra Analanjirofo.

TETIKASA PIC 3

Tanjona :

  • Fampitomboana ireo fampiasambola avy amin’ny tsy miankina sy ny fitomboan’ny vokatr avy amin’ireo PME amin’ny alalan’ny fihariana avy amin’ny fanodinana ireo voka-pambolena (« agrobusiness »), ny Fizahantany ary ny Tontolom-pihariana mitrandraka ireo rindrambaiko (« digital »)

Faritra kendrena :

  • Atsimo Andrefana, DIANA, Anosy, Analamanga, Atsinanana, Vatovavy Fito Vinany, Nosy Sainte Marie

Singa ao anatiny sy ireo lahasa fototra

  • Fisarihana sy fitazomana ny fampiasambola avy amin’ny tsy miankina ary fanampiana amin’ny fanarenan-doha ny toekarena eto anivon’ny firenena
  • Fanamafisana ny tontolon’ny fihariana ho fandraisana anjara amin’ny fanarenana taorian’ny Covid
  • Fanalàna ireo sakana ho an’ny fampiasambola avy amin’ny tsy miankina sy fanatsarana ny fahafaha-mifaninana ho an’ny harikarena eny ifotony (fanamboarana ireo lalana simba, fanatsarana ny fisitrahana ireo angovo sy rano fisotro madio,)
  • Fanampiana ho an’ny fiverenan’ny asa famokarana sy ny fampandrosoana ireo PME ary ny fandraharahana eny amin’ireo sehatra sy ireo Faritra kendrena

 

PROJET D’APPUI A L’INDUSTRIALISATION ET AU SECTEUR FINANCIER (PASF)

Tanjona :

  • Ny sehatra ara-indostria eto Madagasikara, tosika ho an’ny fitomboan’ny harikarena sy mpamorona asa
  • Singa ao anatiny sy ireo lahasa fototra
  • Fampandrosoana ny fametrahana indostria
  • Fanamorana ny fanomanana ireo tetikasa iarahan’ny FItondrampanjakana amin’ny tsy miankina
  • Fampandrosoana ny sehatra fikirakirana ara-bola
  • Fametrahana rafitra sy lamina ho an’ny fampiasana ny Fonds National de Developpement Industriel (FNDI)
  • Fanampiana eo amin’ny lafiny ara-teknika ny Banky Foiben’ny Madagasikara.

Mpisitraka :

  • Ny Fitondrampanjakana Malagasy : fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Rafipanjakana isan-tsokajiny ; fampiroboroboana ireo fampiasambola avy amin’ny tsy miankina.
  • Ireo PME : Rafipanjakana mety kokoa ho an’ny fampiasambola ary fisitrahana tsara kokoa ireo famatsiambola.
  • Ny Malagasy rehetra : mpisitraka farany amin’ny fomba tsy mivantana ireo tombony azo avy amin’ny fampandrosoana ny indostria famoronana asa mendrika.

 

DURABILITE DU SECTEUR ROUTIER A MADAGASCAR (IPF-Transport)

Tanjona :

  • Fanatsarana ny fikojakojana sy ny fampaharetana ny tambazotra fifamoivoizana eto Madagasikara

Singa ao anatiny :

  • Fanatsarana ny toetra sy ny faharetam-perin’ireo lalana
  • Fanomezana fanampiana ara-teknika sy tantsoroka ho an’ny fanavaozana ny sehatra fifamoivoizana sy ny fitaterana
  • Fitondrana vahaolana malaky manoloana ireo krizy na ireo amehana mendrika ho vatsiana vola

Mpisitraka

  • Ireo mpampiasa làlana
  • Ireo mpandraharaha ara-toekarena
  • Ireo mponina amin’ny Faritra Analamanga, Atsinanana, Matsiatra ambony, Atsimo Andrefana, Vakinankaratra, Boeny, Menabe, SAVA, Analanjirofo, DIANA, Vatovavy Fitovinany, Alaotra Mangoro.

 

 

  •  

Plan du site ::