.

Fanavaozana ny karatry ny Mpisotro ronono

Ny Fitaleavana misahana ny Karama sy ny Fisotroandronono (DSP) eto anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola dia hanantateraka ny fanavaozana ny karatra fisotroandronono ny 11 oktobra 2021 hatramin’ny 19 oktobra 2021 ho avy izao.

Natomboka ny zoma 10 septambra 2021 ny fampafantarana izany amin’ny alalan’ny fizarana ireo « flyers » ho an’ireo mpisotro ronono.

Marihina fa hatao manerana ny nosy izany fanavaozana karatra izany ary entanina sahady isika voakasika izany hanantona ny toerana fandraisana fisotroandronono mahazatra antsika na ny Sampandraharaham-paritra misahana ny Karama sy ny Fisotroandronono (SRSP) eny amin’ny faritra tsirairay raha mila fanazavana fanampiny.

 

Plan du site ::